Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ny hakanton'ny asa soratrao (Rary Nofy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Valin'ireo asa soratra nosoratan'ireo poéta malagasyNY HAKANTON'NY TONONKALONAO
Tena asa soratra bikàna sy soa;
Ireo natolotrao fa dia mirary soa.
Tohizo hatrany hatrany izany fanoratana;
Fa io no haren-tsaina,sy hany fisandratana.
Ny asa soratrao toa mandoandoana ny fo;
Hita ao avokoa ireo karazan-kalokalo;
Na ireo kivy aza raha toa mandalondalo;
Dia toa miramiran'endrika fa tsy mihalohalo.
Kanto tena kanto izany aingam-panahy;
Toa finaritra aho,rehefa mamaky azy iny.
Fa toa mampiseho tsiahy,efa raikitra ho lo;
Ka mankarary ny aiko,fa indrindra moa ny fo.
Mahavariana ahy ny asa soratrao;
Toa manala sorisory sy izay rehetra mankalao.
Tao ireo hakiviana,izay nampalahelo;
Afaka avokoa rehefa mamaky,ilay tononkalonao.
Tiako re,mahafinaritra,mampifaly
Ny fanakambananao ity Voambolana
Milanto ery,ary koa mifamaly
Ireto tsindrim-peo,ny vanin-teny;
Mahafatram-po,manintona ny maso;
Soraty foana re na masoandro na diavolana
Maharavo.A 11.05.2017
Sabotsy namehana Avara-drano
--------
Rohy:
