Ny maraina mantsy (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MARAINA MANTSY
Ny maraina re ry aiko;
Dia toa mivalom-batosoa
K'anefa tsy mba tazan'izany saiko
Ny mety ho voka-tsoa.
Ny maraina mantsy ho'aho
Toa manafina tomany!
Fa tsy takatrao,tsinjona izany.
Ny maraina angamba izao;
Dia toa fatram-pitalao
Fa angamba tsy tsikaritrao?
Izay mety hiakany ao.
Ny maraina mantsy ho'aho
Toa dedaka,mamalifaly
K'anefa hiraketan'ireo talaho
Sy ireo hirifiry,fijaliana mampijaly.
Ny maraina re ry tiako;
Mba mitahiry ireo fifaliana
K'anefa tsy mba tsinjoko ao
Izany mba fitsikiana.
Ny maraina mantsy ho'aho
Toa feno ratra mifamaho
K'anefa tsy tsikarotro ao
Ilay rafitr'ireo tsiahy anao.
Maharavo.A 20.05.2017
. Sabotsy-Namehana
--------
Rohy:
654 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152