You are here: home > Vetso

Ny Marina - Rary Nofy

Azo vakiana?

Voatsikaritro fa...
Voavidin'ny vola ny tany;
Voavidin'ny vola hatrany;
Ny fahamarinan'ety!
Ety ambonin'ity tany ity!

Na eny amin'ny fitsarana!
Na eny amin'ny fiaraha-monina!
Samy voatonona avokoa;
Fa manafina ny marina.

Fa matahotra ny ho voalatsa:
Voaratra' aratsian'ny fiaraha-monina!
Ilay fahamarinana latsa-paka;
Ka ho halan'ny mponina!


Maharavo.A      07.02.2009