Ny meloky ny lasa (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MELOKY NY LASA
Ny meloky ny lasa
No hany mba anjarako;
Fa ireo voakinasa;
Dia hanafoana ny tantarako.

Handrava ny tadidy;
Sy ireo rehetra voatsikaritro.
Indrindra ireo mangidy;
Ka ho rava izay voarakitro.

Hanafoana ny safidy
Izay rehetra mba niriana;
Na izay ora mangidy
Na ora mamy mba nitsikiana

Ny meloky ny lasa
No toa misasasasa;
Miboiboika ao anaty;
Mibahan-toera-mandramaty.
Maharavo.A 10.05.2017
Ambatofotsy avara-drano
--------
Rohy:
686 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149