Ny soa vitany (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tena mbola zaza;
Ka te ho miran-tava!
Manantenaha ny trotron'i Dada;
Koa manantenaha ny babin'i Neny!

Ireo no valisoa;
Izay napetraky ny Ray!
Nomeny ilay Dada tena tia;
Sy ilay reny maminay!

Tsy azo adinoina koa;
Ireo soa nasetriny anao!
Raha toa ka tsy sitrakao moa;
Tanterao izay sitraky ny fo-nao!

Raha sendra ny hadalana;
Sy ny tsy mety izay atao;
Toroana lalana sy ahitsiny koa;
Ka ho tanteraka ny fahasambarana!

Ity tononkalo ity dia notsongaiko manokana mba hatolotro ho an'i Dada sy i Neny izay tena tia sy mikaroka ny hanatsara ny fiainam-pianakaviany
Maharavo Andriamalinarivo
--------
Rohy:
823 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152