Raha toa ka! (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tomaratra mazava ny ety an-tany!
Fa nahoana ho'aho ianao no toa mitomamy?
Nilaozan-tsakaiza?toa manirery!
Variana nibanjina ilay fiainany teny ho eny"

Fa toy izany tokoa ve ny atao hoe tena tia?
Toa sarom-piaro goana na etsy na eroa!
Marary loatra ity fo,manantena manirery;
Ka miharitra,mihafy hatrany,izany no fitia!

Atolotro ho anao ity tononkalo ity!
Dia mba hahatsiarovanao ity foko tena tia;
Manantena valin-teny fa tsy atao niny!
Miandry foana e! Na dia mangidy ho doria!

Fa toy izany koa ilay fitiavana izay nihafy;
Alahelo sy toloko na sedra no mifafy;
Nolavin'ilay tiana sy nankahalainy tsotra izao;
Aleony hono mitady olon-kafa ankoatra anao!

Raha toa ka handao ianao?
Mandehana,mahereza,fa aza malahelo;
Ilat fiainako,ny amiko,izay feno ratram-po!
Adinoy ny tantarako,ny tavako,fa tiako mba ho lo!

Maharavo Andriamalinarivo 12.07.2013
--------
Rohy:
973 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145