Raozy (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raozy

Manitra éry ange,izany fofonao ry raozy;
Tsy mahatàna entoento,rehefa sendra mba vangiana;
Ny masoko manganohano,rehefa mijery anao satria...
Ny hakantonao mirindra,no ahatsiarovako ilay tiana.
Ilay bikanao koa,toa mahafinaritra aok'izany;
Mahalasa ambiroa raha sendra maminany;
Eh!mampivetsovetso fo,ny fisianao satria..
Toa tsaroako foana anie,fony izaho vao mba nitia.

Ianao ilay nofidiako,natokako hoan'ny tiako;
Ianao no ao an-tsaiko,raha sendra iny aho mangina;
Hoambozonako mafy,iriako mba tsy halazo,ho very;
Satria ianao ihany,no nahatoa ny faniriako.
Ka nataoko hirahira,nataoko tsianjery;
Hoy aho hoe" raozy,raozy tsara loko",
Ilay raozy midorehitra,mahamirana ny foko.

Ataoko an-dohafandriana,rehefa andro sasak'alina;
Mba hahatonga tsindrimandry!
Tsaroako mantsy ianao,rehefa ao anaty nofin'ny alina.
Fa toa mialonalona...toa manafinafim-pofona"

Satria rehefa mifanjohy,ny saiko sy ny sainy;
Dia ianao no tena ankahalainy
Satria...
Tsy tiany hono ianao,ahita ny fonay roa mifankatia.
--------
Rohy:
882 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169