Satriko (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SATRIKO
Satriko ianao eo anilako;
Kanefa...tsy afaka hijanon'
Ianao, mba ho fihiniko.

Satriko ianao eo akaikiko
Kanefa...tsy azo tazomin'
ianao,fa ndehana ry aiko.

Satriko dia satriko
Ny hianoka,hafaliam-po!
Eo an-tratranao ry malala
kanefa...ndehana raha misalasala.

Satriko sy iriako,
Ny higoaka fahasambaran'
Miaraka aminao
Kanefa...ndehana raha tsy azo hitambarana.

Ndehana rehefa tsy azo ezomina;
Ndehana fa tsy azo fikirina.
Ndehana raha tena maika;
Ndeha raha tsy misy paika.
No sign
--------
Rohy:
653 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143