Soratra velona,anatra (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SORATRA VELONA,ANATRA

Zandry ah!ity ho'aho mba henoy,
Hafatra kely dia kely anefa misy heviny,misy dikany!
Fananaràn'ihany,Fanoroana hatrany,ny zavatra fonosiny
Fitiavana anao ihany no anton'izy ireny.
Fitarihana,Fampianarana,fanabeazana anao ho tena olom-banona,
Mba handrotihana ny ratsy,hanoroana anao amin'ny lalana mahitsy,tena mba ho vanona
Hialana amin'izay,tena ratsy,fanahy,saina fo,fitondran-tena,
Izay mampalaketraka ny saina,mitarika taraina,sy mampa honena.
Zandry ah!ny fianarana foana aloha no tena himasoy,
Fa io no antoka,hivoahan'ny fiainanao ao aoriana
Ankehitriny,mbola tsy anjaranao aloha ny mandalina ny vitany,
Mbola tsy adidinao,no mizàka ady mafy,toy izay efa hitany,
Fa miandrasa kely aloha,fa rehefa lehibe ianao,rehefa ampy taona,
Dia vonona amin'izay,mikaroka ny soa,mikatsaka ny tsara,afaka manao izay tiana atao,eto amin'izao tontolo izao,
Fa izao aloha henoy,i Dada sy neny ihany,ny zoky ihany aloha henoy.
Na ratsy aza izay ambarana dia raiso foana hatrany,fa ianao mbola zaza atoro,tsy tsy maintsy manaiky
Mbola zaza milalao,ka adidy tsy maintsy raisina,tsy maintsy ampiana,tsy maintsy atoro,tsy maintsy hanarina.
Zandry ah!raha mbola azonao atao,sy vita hoy aho,
Dia manaova lavitr'hezaka amin'ny resaka fianarana!
Aza miadaladala,aza miandanindany fotsiny amin'ny resaka hakamoana,
Fa mivonona hatrany,miezaha foana foana,fa izay aloha no manoloana
F'izahay angé efa teo no niala eh!,niala satria voasariky ny fintana,
Miezaha mandalina hatrany,mitazona ny soa,
Hialao ny ratsy fanao,hialao ireo ratsy rehetra tsy nahasoa,
Raha manaraka izany ianao,zandry dia avy eo ianao tafita.
Zandry ah!izao no tiako tsindriana,ambara,lazaina,
Tandremo lahy sao tara,ary ho ela vao ho tonga saina,
Dia ho very saina avy eo,ary hanenina ny lasa,
Hoe:raha mba nanaraka ny tenin'i zoky ihany aho angamba
Angamba mety tsy ho toy izao no hitranga,
Izany re ry zandry no teny atsipitsipiko ah,anjaranao sisa no mandalindalina,
Aza atao tara loatra anefa,ny fiovana,fa sao ianao,ho trotraka.
--------
Rohy:
873 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205