Soraty (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
*******SORATY*******
Soraty daholo letsy zandry!
Izay ao an-tsain'ialahy!
Adikao an-taratasy;
Ary ataovy mihasihasy.

Soraty foana na tsisy dikany;
Antsao ihany na tsisy heviny;
Ireo soratra izay ambara;
Vetsoy foana ho rakitra tantara.

Avoay foana na tsisy mpitia;
Adikao foana na tsisy mpankafy!
Ambarao fa kalom-pitia;
Partageo foana fa izaho mankafy.

Hivetsoy daholo letsy zandry;
Izay rehetra hitan'ialahy!
Soraty fa aza miandriandry;
F'andrao tsy tadidy,ilay voatsiahy.
Maharavo.A
--------
Rohy:
703 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0238