Tamin'ny mbola teo (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAMIN'NY MBOLA TEO

Tamin'ny mbola teo i Dada;
Toa revorevo impiry impiry;
Tsy mba naharé izany hirifiry;
Sy izany fahantrana izany ny tena.

Toa mifalifaly hatrany;
Fa manana Dada mpanambitamby;
Fanampin'izany koa;
Izy ilay nikaroka ny soa;
Mba hiadanana,hifalianao!
Ny foto-kevitra,katsahiny.
Mba hahasoa anao hatrany.
Izany ny fiarony izao.


Tamin'ny mbola teo i Neny;
Tsy mba nitomany izany!
Fa fifaliana ombeny ombeny;
No hany mba tamy misangy.

Tsy mba kivikivy izany;
Fa manana reny fiantahantàna!
Hanomé fitsikiana sy izay tiany;
Mba haha-maivana izany olana.

Tamin'ny mbola teo i Zoky;
Afaka mifanilinilika asa!
Mifanjàna sy tokiky;
No hany atao misasasasa.

Ny fanànàrany maro be;
Dia nolavina,natao tsy re!
Fa natao rano tetezin-doha;
Izay lasa tsy mifoha.

Tamin'ny mbola teo i Zandry;
Dia natao mihitsy no miandriandry!
Na alim-podiana aza;
Izany angamba ny tontolo fahazaza?
Rehefa revo milalao;
Na manao ny tsy fanao!
Dia avy eo mitalao;
Hoe"ialahy ihany no nahatonga izao.

Tamin'ny mbola teo ilay tiana;
Tsy tsaroana akory ilay fisiana;
Fa sambatra be aok'izany;
Toa foana hatrany ireo tomany.

Ireo esoeso tsy lazaina;
Na ny tsiahy nalaindaina!
F'efa eo ilay nolalaina;
Hanasitrana ny saina,hanala ireo sorisory sy taraina.

Rehefa tsy eo intsony ireo;
Dia lasa manirery ny tena!
Toa mandré feofeo;
Mikiririoka toa mahonena.

Feon'ny toloko angamba?
No henoko mitroantroana;
Mitamberika tsy mihambahamba;
Mamelo-mason'ny tsaroana .
--------
Rohy:
807 1
Mpakafy: fanjolee
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157