Toeran-tsopatra (Rary Nofy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I
Toeran-tsopatra loatra;
ho'aho itony tany!
Mahatonga ny maso;
handrotsa tomany!
ny ranomaso mijoy;
mamoto ny tava;
mahatonga ny saiko;
hanjombona lava!

II
Sento,toloko lava hono;
ny fiainan'ety!
Ka tsy afak'ialana;
na koa atositosik'ery!
fa tsy maintsy zakaina;
ns mangidy ,na mafy!
Raha ny fo izay miaina;
dia natokona mba hiafy!

III
Feno fijaliana tokoa;
indrisy!izany fisinana!
iza moa no afak'hitarainana?
indrisy ilay nahary;
sy izay namorona ny tany!
no nametraka ny didy;
izay ihainana,hisainana eny ihany!

IV
Feno alahelo hatrany;
ho'aho ny anjara ety!
izay mitarika ny saiko;
hamoron-tononkalo
tao anatin'ilay sento nidandihy;
sy ilay ventso
tomaratra aok'izany!
--------
Lien:
545 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143