Tsarovy fa... (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSAROVY FA...
Toa kivikivy ianao
Toa malomalo-tava izany;
Tsarovy fa eto aho;
Hampifaly anao hatrany.
Raha malahelo ianao;
Toa malomalo-kendrika;
Tsarovy fa izao rehetra izao;
Tsy mba miramiran'endrika.
Raha mitomany ianao;
Somban-javatra ihany izany;
Tsarovy fa ny eto an-tany;
Feno loza mitatao.
Raha mangingina ianao;
Ka irery tsy misy namana;
Tadidio fa mitsiky aminao;
Iry Diavolana sy hazavam-penomanana.
Raha mahantra ianao;
Ka tsy manan-katokona;
Dia tsarovy ilay ray ao ambony ao;
Fa hanomé soa,roa sosona.
Raha ory ianao;
Ka tsy misy mba mpijery;
Tsarovy fa eto aho;
Mba hanala ilay fery.
Maharavo.A
--------
Rohy:
938 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154