Tsiambaratelony (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiambaratelony

Ireo tsiambaratelo,izay miafina ao anatiny!
Tsy aborany aminao izany,na oviana na oviana;
Fa ireo rehetra rehetra,izay tena mba tsy tantiny,
No mety hilàny vonjy,hilàny fanampiana;
Izay no hilàny namana,hilàny olon-tiana.
Raha sendra ady sarotra,tsy misy fitoniana;
Ianao no tena antsoiny!
Iangaviany mafy,mba hitondra fitsikiana;
Mba hampitony vetivety,ny rediredim-pony'
Izay mibitsika mangina.
F'ireo tsiambaratelony,sy izay rehetra momba azy;
Afeniny dia afeniny!
Fa ilay tsy tiany ho fantatrao,dia mbola maka toerana ao koa;
Izany ilay fitiavany,ilay mbola tsy namoa.

Nafitsany mangina,ao anaty fony ao;
Ilay fitiavany anao.
Raha sendra mba mitraotra,ka tsy hay notazomina!
Dia naleony mampiononina.
Tsy navoakany akory...na dia afo mandoro;
Fa aleony niafiana foana,fa maro mpanakiana.
Eh!Ilay tsiambaratelony hatrizay,tsy mbola fantatrao satria...
Tsy tiany hahalala izany,ny fonao,hatrizay ka hatrizao;
Indrisy sombinaina! Fa ny fanahiny ary izao,mbola malaina hamoaka izany;
Ka naleony notanàna,na hiatra amin'ainy.
--------
Rohy:
810 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146