Tsiaro an'i Neny (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tonga teto aho;
mba hamangy anao!
fa toa mangina ho'aho;
ity fonenao!

mitomany,mitoloko;
eto moa izany foko;
toa manjonitra aok'izany;
raha mijery ilay ankaniny!

dia tao ianao ry Neny
toa matory mangina tsy miteny?
sondriana sy mitoreo;
ity foko,mandinika mankeo!

ity solom-boninkazo;
Fanatitro ho anao;
Iriako mba tsy halazo;
Fa hanome fofona ao!

Izay no diam-peniko;
Atolotro ho anao;
Ry i Neny ilay tsy foiko;
Ilay silaky ny aiko!

Fa dimy taona izay;
no nandaozanao anay;
nandao ilay ankany;
ilay feno ankaso sy tomany!!
--------
Rohy:
816 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107