Tsy hoe (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HOE:...
Tsy hoe:vao izao aho vao nitia
Tsy hoe:vao izao aho vao nankafia
Ny hiara-dalana amin-dry;
Fa efa hatramin'ny ela aky.

Tsy hoe:vao izao aho vao naniry;
Tsy hoe:vao izao vao nitsiry
Tato anatiko ilay vetsom-po
Ny hianoka fitiavana an-tsitra-po.

Tsy hoe:vao izao aho vao nikalo
Tsy hoe:vao izao aho vao nanoratra
Ka tsy hahalala ny rima sy ny kanto
Ka hikaviavia!
Ka hoy aho hoe:mba atoroy akia!

Tsy hoe:vao izao aho vao hikendry
Tsy hoe:vao izao aho vao hanendry
Ireo tsara izay kinendry
Fa hikatsaka ny soa,ny tsara
Mba ho reharehako any an-para
Maharavo.A
--------
Rohy:
617 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149