Tsy hoe:"..."! (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe:Adinoko ilay teny!
Ireny nambaranao ireny;
Fa tsaroako ihany indraindray;
Ireny lasana hatrizay.

Tsy hoe:navaloko ho tantara!
Ireny zava-bita ireny;
Fa izay hono no anjara;
Ka aleo re tsy asian-teny.

Tsy hoe:nodiako tsy hita!
Ireny taratasonao ireny;
Fa toa miampitapita;
Ka lasan'izy ireny.

Tsy hoe:nodiako tsy tsaroana!
Ilay eson-teninao fahiny;
Fa ankehitriny toa ninoanoana;
Ka tsy tsikaritro ny tambiny.

Tsy hoe:noho ny eson-teny!
No tsy nanoratako intsony;
Fa tsy mba manan-teny;
Atoraka amin'irony!ventson-tsento irony.

Tsy hoe:tsy nahatsiaro anao aho!
Fa maro koa ny asa atao;
Izay no antony tsy nanembonako anao;
Hatramin'izao fotoana,ora izao.

Maharavo.A 20.03.2016
--------
Rohy:
250 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0365