Tsy mba... (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MBA...
Tsy mba gaga ve ianao?
Mahita azy tsy miteny!
Asssah raha voatsikaritrao;
Ireny fahanginany ireny.

Toa nafeniny dia nafeniny;
Nokobonina tao anaty
Ireny mba eso-teniny.
Sy ireo alahelo izay tsy tanty.

Tsy mba variana ve ianao?
Mibanjina azy toa mangina!
Asssah re raha fantatrao;
Ny antony tsy mba nitsikina.

Ambarao raha fantatrao!
F'aza aseho mivandravandra.
Ataovy anaty pika maso;
Dia ho fantatro izay ambara.

Tsy mba taitra ve ianao?
Mandinika ny ataony!
Fa toa tsy toy izao;
Ny fomba mba fanaony.

Toa hafahafa ny fihetsiny
Toa tsy mba mitsiky izany;
Fa toa malazolazo hatrany
Ny piti-maso izay sendra hitsiny.
Maharavo.A 10.05.2017
Sabotsy-Namehana Avara-drano
--------
Rohy:
679 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149