Tsy nampoiziko - Rary Nofy
Azo vakiana?
TSY NAMPOIZIKO
Toa maloka ny masoko
Manganohano aok'izany
Mandinika ilay lasany
Sy izay mba fahasambarako.
Tsy nampoiziko anefa...
Indray andro izay
Nahita ilay masonao niantefa
Nijery ilay olon'iray.
Toa gaga aho talanjona
Nandinika,nibanjina
Ka lasa mianjohanjona
Mijery anao mitakandrikandrina.
Tsy nampoiziko satria...
Vao eo ianao no nilaza tia
Izao ianao manao ny atao
Izay manao ny tsy fanao.
Maharavo.A
Hafatra ho an'ilay olon-tiako,tazako nitakandrakandrana nitodika nijery ilay tovolahy iray tery an-tsisindalana.
Sokajy :
Ahiahy, Aingam-panahy, Eritreritra mandalo, fiainana, Fiaraha-monina, Fisarahana, Fitiavana, Hambom-po, Namana
Mombamomba
Mpanoratra : Rary Nofy

Nampiditra : Fatals
Daty : 09/04/2017
Mpamangy : 609
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
LEFITRO FOANA Raha toa iINY LALAN'INY Herezo let
HAFA IHANY Vao maty iana
Alim-pody indray
Mandehana sombinaiko
Ankiziny taloha
ANY AMBADIKA ANY!
Tsy hay hadinoina
Ry taniko oh nahoana?
Any ho any izao