Vavaka mangina (Rary Nofy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny amiko ry Ray;
Efa fantatrao!
Ny tantarako rehetra;
Tsy mba miafina aminao!

Ny fiainako,ny fisiako;
Efa eo an-tratranao!
Ka anjarako irery sisa;
No mamisavisa;
Izay hitantananao!

Ny tontoloko rehetra;
Toa feno mpanaratsy;
Mpampahory,mpampijaly!
Ka miandrandra anao ry Ray;
Mba hiova avokoa;
Ny fiainan'izy ireny!

Maharavo Andriamalinarivo (Fatals)
--------
Lien:
Catégorie : Namana - fanantenana - Vavaka
991 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147