Vetsom-po (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VETSOM-PO

Vala-balaka ny vatana;
Rera-dreraka ny saina;
Ka mitambolona tsy tana
Ireo sorisory sy taraina.

Torovan-drovana ny fo
Izay mitempo isa-minitra;
Malemilemy toy ny akoho;
Tsy ho ela dia hitritra.

Kivikivy ny fanahy;
Malahelo aok'izany;
Toa mifoha ireo tsiahy;
Toa mitraotra hatrany hatrany.

Tezitra angaha izato fanahy?
Ka tsy mamela ahy ahatsiahy!
Ireny lasana hatrizay;
Sy ireo ora mangidy izay mivaivay.

Kivikivy aho maminany;
Asany re fa nahoana?
Oriory ny foko,toa tomany!
Fa tsy eo ianao manoloana.

Dia hisaona indray ve?
Ianao ry fanahiko!
Dia afeniko ilay hany aingam-panahiko
Hangina tsy hanoratra,
Ireo rehetra hita sy re;
Ka hivetso mangina anaty
Ireo rehetra tsy tanty;
--------
Rohy:
822 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014