Vinavinako (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VINAVINAKO

Raha izaho angamba no piéta ah!
Dia mety ho fantatro daholo
Izay ao an-tsainao rehetra!
Na ny eritreritra!
Na ny vetsovetso!
Na ny tsiahitsiahinao ihany koa ah!

Raha mba izaho moa no poéta toa anao!
Dia tsy hitsahatra handalina
Hitsikera izao tontolo izao.
Na maraina na atoandro indrindra fa ny alina.
Ho fantariko avokoa izany rehetra izany;
Mba hahafantarako misimisy kokoa ny momba izany tany.

Raha izaho mantsy no mpanoratra ah!
Dia voatantarako tsy miodikodina;
Ny manodidina ahy rehetra.
Na ny zavaboary izany ah;
Na ny fiaraha-monina,
Na ny fiainana ary ny fitiavana no fetra.

Raha mba izaho mantsy no mpamorona ah!
Ho foroniko avokoa izay rehetra azo atao;
Na ny inona na ny inona;
Na tsara izany na ratsy ah!
Na ny tsy fanao na ny fanao;
Fa tsy ataoko tsara fa tsinontsinona.
--------
Rohy:
732 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151