You are here: home > Vetso

Zakainay foana - Rary Nofy

Azo vakiana?

ZAKAINAY FOANA
Zakainay foana
Raha izay fankahalana
Zakainay foana
Raha izay tsy fitiavana
Zakainay foana
Raha izay fanambaniana
Zakainay foana
Raha izay fijaliana

Zakainay foana
Ireo izay miendrika ho fanaratsiana
Apetraky ny mpiara-belona
Eny e! ka mitondra alahelo tsy hay pesipesenina

Zakainay foana
Raha izay ozona,latsa
Ka mahatonga fahoriana,fampijaliana
Hirifiry,hirihiry latsa-paka

Eny!zakainay foana
Ny anjara,lahatra
Ny tendry nomen'ilay mpandahatra
Fa na mafy aza izany
Tsy voatery hitomany.
         Maharavo.A