Zo'nao - Rary Nofy
Azo vakiana?
Zo'nao ry Malagasy
Ny mitaky ny fahaleovan-tena
Fa aza mba mihasihasy
Fa izany no mambotry firenena.
Zo'nao ry voron'iny
No misidin'eny ambony
Mba hijery ny hakantony
Ny zava-boary toy itony.
Zo'nao ry tara-masoandro
No misinda vetivety
Ka mamela haizin'andro
Mba hahatazanako ilay tanety.
Zo'nao ry sakaiza
No manao izay sitrakao
Andeha ambarao hatraiza hatraiza
Hoe:izao no tiako atao.
Zo'nao ry fasany
No maka ilay maminy
Fa angatahiko,ny rasany
Aza esorina eny aminy.
Zo'nao ry malala
No mangataka ny hiala
Ndeha hisaraka,hifandao
Raha izay no sitrakao.
Zo'nao ry foko
No miventso ireo toloko
Ny alahelo,ranomaso;
Mbamin'ireo fahoriana sy ankaso.
Zo'nao ry tiako
No manoratra tononkalo
Fa ny tena fahasambarako,sy ny iriako
Dia atolotrao ho ahy sy ireo mpandalo.
Zo'nao ry mpankafy
No mitsikera ity asa soratro ity.
Raha toa misy tsy mety
Mba ahitsio vetivety.
Maharavo.A
Mombamomba
Mpanoratra : Rary Nofy

Nampiditra : Fatals
Daty : 09/04/2017
Mpamangy : 422
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
LEFITRO FOANA Raha toa iINY LALAN'INY Herezo let
HAFA IHANY Vao maty iana
Alim-pody indray
Mandehana sombinaiko
Ankiziny taloha
ANY AMBADIKA ANY!
Tsy hay hadinoina
Ry taniko oh nahoana?
Any ho any izao