You are here: home > Vetso

Zo'vy - Rary Nofy

Azo vakiana?

(...)Zo'vy no tsy mahalala;
   Ny momba anao ry gasikara!
   Fahantrana,fankahalana;
   Ireo ady an-trano tsy ambara.

(...)Zo'vy no tsy hahatsiaro;
   Ireny ady lava,korontana mifangaro;
   Hatramin'izao fotoana izao;
   Ka mandra-pahafatinao.

(...)Zo'vy no tsy hitanisa;
Ireo lasany hanapitrisa;
Hatramin'ny ady lehibe faharoa;
Ka hatramin'ny taon-jato hoavy.

(...) Zo'vy no tsy halahelo;
Ireny olona natao sesi-tany!
Na ny maty lasa any amin'ny elo;
Na ny faty milevona amin'tany.

(...)Zo'vy no tsy hiaro
Ilay tanin-Drazany tsisy mpiaro;
Ka naleony re nafangaro amin'ny hafa;
Mba hampifandray ny taniny amin'ny tontolo hafa.

(...)Zo'vy no tsy mba hanembona;
Ilay fianakaviany,ny malalany,ny sakaizany!
Raha tahin'ny vao nitrembona;
Ilay tandindona,hahatsiarovany ny any.
                    Maharavo.A