4-MIS - fenohasimpitia
Azo vakiana?
4-MIS
Indreo ankizy miara-dia
Nolazaina fa 4-mis
Ao ny vao miana-mandeha
Dia efa eny antsisin'arabe
Maha-ontsa, mahonena
Mangatangataka eny an-tsena
Mitsimpona any anaty fotaka
Hitazoman'aina tsy ho potraka
Ny akanjo efa rotika
Ny pataloha tena potika
Ny vatana efa hafahafa
Maloto tsy mba misasa
Ny fonenany, eny antsisi-tosy
Tsy mba misy lamba, na bodofotsy
Gony rovitra sy baoritra efa simba
Atambatambatra ho tonga fandriana
Amin'ny alina indray
Misakafo tapa-tsinay
Miaritra ny hatsiaka
Sy ny fofona masiaka
Ny marania vao mangiran-dratsy
Dia efa miertreritra "Trace"
Aiza indray no ahitàna
Tohan'aina, na dite mafàna
Ra-Fanjakàna ô! jereo!
'Reo mahantratsika ireo
Fa mapalahelo, maha ontsa fo
Ny mahita azy ireo marobe tokoa
Ra-Fen's
Hevitra mandeha
andry 1000 (23/04/2015 05:49:06)
hjravs (23/04/2015 05:53:49)
tsara 'lay aingam-panahy, misy tononkaloko izay manao hoe:
"...Anaty fahantrana,
ange, ny firenena
raha toa ka ahitana
mahantra sesehena..."
LyrainaJha (07/10/2016 07:55:42)
Mombamomba
Mpanoratra : fenohasimpitia

Nampiditra : fenohasimpitia
Daty : 23/04/2015
Mpamangy : 1089
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Indrisy!!!!!Lavitr'olo-tiana!
Mpitondra???
Fiainan-java-boahary!
IANAO!!!!
Fitia hafakely
IARIVO
NENINA!
Ny Tena Fitia
Fitadiavana