Fiainan-java-boahary! - fenohasimpitia
Azo vakiana?
Fiainan-java-boahary!!!
Sambatra ny fo
Tretrika ny saina
Fa kanto tokoa
'Zany andro vao maraina
Andro vaovao
Ho ahy sy ho anao
Hifaliana eto an-tany
Hitadiavana ny mamy
Faly ery ny zava-boahary
Fa tsy diso anjara t@'lay Nahary
Fa nomena alina hatoriana
Sy maraim-baovao hifaliana
Ireo zava-manan'aina
Sy ny zava-boahary hafa
Samy faly tsy hay tohaina
Ravo ery fa andeha hitafa
Isaorako Andriamanitra
Nanome tombon'andro iainana
Ka ny andon'ny lanitra
No handrakotra ny fiainana
Ra-FEN'S (10/10/2016 07:31)
Mombamomba
Mpanoratra : fenohasimpitia

Nampiditra : fenohasimpitia
Daty : 10/10/2016
Mpamangy : 1090
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
Indrisy!!!!!Lavitr'olo-tiana!
Mpitondra???
IANAO!!!!
Fitia hafakely
IARIVO
4-MIS
NENINA!
Ny Tena Fitia
Fitadiavana