Mpitondra??? (fenohasimpitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpitondra hono!!!!

Vao nandeha ny propagande
Dia hoe i Lery no tena bandy
Ho mahavita zao sy zao
Ny tsy misy aza "ndeha hatao"

Atao faoksionera ny FRAM
Ny AGÔA ko alamina
Ny EPP sy CEG
Haloa daholo ny "FRAIS*" (*Sara-pisoratana anarana)

Tsy 'zany anefa no nitranga
Fa vao maika niha-banga,
ny tahirin-dray aman-dreny
Nandoavana an'ireny

Nankaiza 'lay lokaloka
Sa valala nosamborim-boka ?
Natao zay ahazoana toerana
Dia hadino 'lay fitserana

Nitsombadika ny rasa
Nihamaro ny tsy an'asa
Ny dahalo tsy voatanisa
Ny tontakely tsy hita isa

Ny vidim-bary ambony be
Nampiakarina koa ny "frais"
Nefa izy mandehandeha
Mitety firenena marobe

Mitady fanampiana hono
Nefa miala sasatra, manjono
Sitrany ahay "dollard"
Hividianana fiara

Tena mampite-hitroatra
Fa efa tena mafy loatra
Ny ngidim-piainana sedraina
Rehefa tsy hisy ho antenaina

Raha taimbaka samy mahay
Fa naleo iany 'lay anakiray
'Lay lazaina fa mamon'ny toaka
Ireny mahay mitsinjo vahoaka

(Ha!ha!ha!ha!...)

Ra-FEN'S (13/10/2016 10:14)
--------
Rohy:
1344 2
Hevitra mandeha
hjravs ( 14/10/2016 10:42)
Ny mpitondra, ho'a, rehefa tonga eo amin'ny fitondrana dia mieritreritra hoe mifarana eo aminy ny tantaran'i Madagasikara, tantara mitohy anefa io, ka tokony manoratra tantara tsara izy ho tohizan'ny ao aoriana.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fenohasimpitia
Nampiditra : fenohasimpitia
Daty : 13/10/2016 07:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103