You are here: home > Vetso

Indrisy!!!!! - fenohasimpitia

Azo vakiana?

INDRISY!!!!!

Indrisy ry fitiavako
Mahonena zato ianao
F'ilay nataoko ho havako
No indro fa nandao

Indrisy ry fiainako
Toa potika sahady
F'ilay saika hitarainako
Tsy nahaefa ny voady

Indrisy ry foko
Toa tsy haiko ny hionona
Fa Feno sento sy toloko
Ilay saiko efa vonona

Indrisy ry hoaviko
Izay natenaiko mba ho tsara
Kanefa ilay olona notiaviko
Namarana ny tantara

Nofaranana anterisetra
Sa etraketraky ny hafa ?
Ka ny fikasàna rehetra
Nandamoaka, tsisy tafa!

Fa raha ny fitiavako azy,
Tsy ho lefy mandrakizay
Ho raketiko an-Diary
Ho souvenir rahatrizay!

Ra-FEN'S (11:35 25/10/2016)

Hevitra mandeha

hjravs (25/10/2016 16:30:51)

Miainga izy 'zany Ra-FEN'S a! Mino aho fa hody izy raha vao hitany io e!

LyrainaJha (26/10/2016 12:27:29)

izy tsy nandao,fa mbola tia anao

megatsino (28/10/2016 08:44:13)

nandao iz mbol iveri @akany iany ri Ra-fen's a