Dia ho nofy foana ve!! (Fetrarivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sanatria tsy ho nofy raha ianao milaza tia
Kanefa izaho misalasala
ohatry ny adaladala
Te handa ilay fitia

Ho tsiniko ary ve raha tsy hanaiky aho
tsy hanaiky velively ny hiarahako aminao
satria tiako loatra ny irery
ka tsy ho tsiny velively

sanatria tsy ikopa
ka tonga namana vao mavomavo
na koa hoe misotasota
ka andrahoina vao maika mavomavo
ohatra ny voatavo!!!!!!!!!!

Atolotro manokana hoan'zay milaza fa tia ahy kanefa nolaviko tsotra izao MIALA TSINY INDRINDRA
--------
Rohy:
1654 0
Hevitra mandeha
Mael ( 05/12/2003 08:12)
Raha toa ka tovovavy no nanana izany aingampanahy izany dia tena tsara tokoa satria , ohatry ny sarotra be raha toa ka ny vehivavy indray no hilaza aminao fa tiany ianao nefa ianao handà.

Ny mombamoba anao nefa milaza fa ianao dia tsotra, sy maniry ny hifandray amin'ny tovovavy malagasy.

Misaotra é.


mampikanto ( 08/12/2003 10:47)
Miarahaba an'i Fetra aloha e! Fa dia nahoana kosa ary no dia fandava toy izany no setrin'ny fitiavany anao sao dia tsy rariny!

Izay fa dia safidy io fa dia izay fantatrao fa mety atao nefa na dia izany aza , aza dia manao fo lentika e!

Kanto
sejianis ( 12/04/2004 16:05)
fetra a!
Mpanoratra isika sy ianao!
Misaotra nanoratra io tnkl io, misy manko ny mihevitra fa ny vhv foana no tokony handà, fa ny bandy izany dia voatery hiaraka @ izay joba milaza tia azy mba ho fahalalam-pomba ve? à chier!!!!!!!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetrarivo
Nampiditra : fetra
Daty : 04/12/2003 20:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141