Ny taom-baovao! (Fetrarivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIARAHABA ANAO NY TENAKO NOHO ITY TAOM-BAOVAO 2004 ITY MAHEREZA RY SAKAIZA.
Hisaorana indrindra Andriamanitra
Nanome taom-baovao mahafinaritra
Enga anie ka firaisan-tsaina madio
No iainana manomboka anio

Dia hoadinoko avokoa
Ireo sorisory hita fahiny
Mba hahitako ny soa
ka aoka tsy hifanome tsiny

Enao io lay nampifila, indrisy
Efa adinoko tanteraka izao
Heveriko ho toy ny tsy misy
Fa izaho nahazo taom-baovao

Dia veloma mandram-pihaona
F'efa tonga ny fotoana
Tsy maintsy andaozako andry
ka tadidio tsara fa enao efa nitia

Tsy hoe ny taom-baovao no inona
Fa raha mampifala angamba tsy maninona
Tsotra fotsiny veloma ianao
Fa zah nahazo taom-baovao.
--------
Rohy:
2920 1
Mpakafy: tantelynirina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetrarivo
Nampiditra : fetra
Daty : 03/01/2004 05:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013