AOKA HITANDRINA (FITIA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitandrema ianao ry taniko
Misy aretina mandindona
Ny asasoratra indramiko
Ho fanafana, ho tsindrona

Efa sarotra ny fiainana
Ny loza anefa maka bahana
Zary lasa itarainana
Sy nenina ny fananahana

Tsy mifidy izay asiana
Tsy manavaka saranga
Tsy mijery fiaviana
Taona, harena,… tsy hainy angamba…

Fitaovana tsy voadio tsara
Firaisana tsy voaaro
Ny VIH tsy voarara
Mandripaka ain'olo-maro

Aoka isika samy hitandrina
Mampiasa zavatra maranitra
Mahamenatra ny bay an-kandrina
Mba matahora an'Andriamanitra e.

Tsy hampirafy, hijanganjanga
Fa hanaja tokantrano
Dia ny lanitra ho manga
Ny SIDA ho lasa angano…

FITIA
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina - Ady
3858 0
Hevitra mandeha
hery ( 23/02/2007 09:07)
Hmmm tokony asaina manao fifaninanana amin'ny tononkalo miady @ SIDA ity tononkalo ity... raha mba misy izany fifaninanana izany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FITIA
Nampiditra : mercure
Daty : 19/02/2007 18:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135