Enga anie (FITIA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ho kivy aho tamin'izay
Valalanina tanteraka
Resy foana, mila ho fay
Drodroka sy tena reraka

Ireo fitia izay namboleko
tao ny rava tsy hay nahoana
tao ny voahitsakitsa-poana
nisy tsy tsara ka noseko

Naka saina aho no injay
Nifoha tamin'ny torimaso
Notairina noho ny ankaso
sa, hankasitrahana amin'izay?

Topi-maso, kopakopaka
Mampahatsiahy ny taloha
sa mariky ny tsy fiavonana
dia sanatria d'izay tokoa ve?

Enga anie ka fihetseham-po
ilay fo tia ka te hitroatra
izay kasainao no aoka ho to
ny toeranao efa voavoatra.

FITIA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fanantenana
4660 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FITIA
Nampiditra : mercure
Daty : 16/01/2007 11:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101