You are here: home > Vetso

NY TENIKO - FITIA

Azo vakiana?

Misy zavatra hafahafa
Mahalasalasa saina
Fa ny tenin'olon-kafa
no indro toa indraindraina
Nefa eto an-taniko aho
eto Madagasikara

Efa hatrany an-dakilasy
Raha vao nianatra abidia
Te hahay taratasy
vahotra tokoa satria...
Tsy ilay teny ataon'i Neny
Hafa noho ny an'i Dada.

Eny an-toerana mihaja
Raha hanoro na handrara
Sakodiavatra ny vava
Menatra ny hanambara
Teny indrana no miasa
Ny an'ny tena nokajiana.

Tsy hain'ny olona ny teniko ?
Hiezaka aho ny hampahafantatra
hadisoako, eny neniko
ny manamaivana azy fatratra
Omeko lanjany mafonja mba
Hanakoako sy hanonja...

FITIA
(Liva RAFANOTSIMIVA)

Mombamomba

Mpanoratra : FITIA

Nampiditra : mercure
Daty : 19/02/2007
Mpamangy : 3726
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

NOUS DEUX
JE COMPTE SUR TOI
FIN
SILENCE
Adin-tsaina
AOKA HITANDRINA
Fitiavan-tena
Enga anie