Fitiavan-tena (FITIA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fantatro efa ela, eny hatrany am-piandohana...
fa tsy ho iray isika
Kanefa notereko sy noezahiko hihamafana
sy tsy hisy tomika
na dia hanam-piafarana
hay ny anao tena izy.

Irery aho tamin'izay, eny tsisy niangolana...
dia ianao no tazako
namoronako fitiavana tsy sarotra vahana
notorian'ny vavako,...
dia valiny igagana :
Hay ianao tena tia.

Dia niherina ny andro, nifanesy ny volana...
matevina ny temotra
toa vahotra aho ny hiroso ka teraka ny olana
ny tena te hihemotra
ny ahiako ianao sao torana
satria ny ahy vazivazy.

Sahiran-tsaina indrisy, eny raharaha tadiavina...
dia inona no atao ?
sa holazaina hoe :"'lay fitiavako nanjavona" ?
dia hionona ny anao ?
ny fifaliany ho lavina ?
Sa izaho ve no hihafy ?

Eny, hadalana ny ahy
Indrisy ry fitiavan-tena...

FITIA
(Liva RAFANOTSIMIVA)
--------
Rohy:
5356 0
Hevitra mandeha
cocorico ( 20/02/2007 08:38)
tena marina ny voalazan'ilay tononkalo ka dia hisaorana ny mpanoratra sy ny nampiditra azy fa mampieritreritra ny tsirairay,fiainana izany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FITIA
Nampiditra : mercure
Daty : 19/02/2007 18:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011