Tselatra (Fo MiAntsa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tselatra nandoro
No reko tao anaty
Vao nifampitopy
Ny masontsika roa !
Toa fitia nijoro
Sy efa vaky ambiaty
No velona sahady
Tany anaty tany
Namelona vinany !
Dibok’hafaliana
Ilay fo mampalahelo
Sady namelovelo
Ny andro tsy ho hariva
Raha eo anilanao !

Saingy rava vetivety
‘lay nofy nomamiana
F’ianao manana olon-tiana !
Indrisy…
--------
Rohy:
438 2
Mpakafy: Tsah16 - hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fo MiAntsa
Nampiditra : Tsah16
Daty : 25/09/2019 08:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137