You are here: home > Vetso

Lasa - Fo MiAntsa

Fa sary an-tsaina ihany
No nahalalako izany,
Raho-mitanila,
Sy fiaina-malok’ila
Hatramin’izay nipoiran’
Ny masoko akiroa.
Fa hay vara-datsaka, mamotika ny foko
Sy maha kilahotohoto
Ny atin’ny fanahy !
Dia velona ny tsiahy…

Lasa mantsy ianao !
Ilay niara-nilalao
Sy niara-nody koa !
Ilay niara-nitatao
Sy niara-niloloha
Ny adin’ny fiainana…

Dia haiko ny mitsiky
Anaty ranomaso,
F’ianao ilay sahy mitsiky
Anivon’ny ankaso !

Tsy hanao veloma aho namako,
Tsy mandram-pihaona koa !
Satria ilay fiainanao
Tsy manam-paharoa
Ho velona ao am-po !

Hevitra mandeha

hery (25/09/2019 18:31:52)

Tiako kosa ity.

Tsah16 (27/09/2019 09:40:44)

Mankasitraka #Hery

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fo MiAntsa

Nampiditra : Tsah16
Daty : 25/09/2019
Mpamangy : 139
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

TSILO
Tselatra