You are here: home > Vetso

Antsoantso - Fongasy

Azo vakiana?

Adel wardo Laden ao amin'ny  fb
No sehatra niandrasako anao elabe
Adiresy iray mba hifaneraserana
Hifampiresahana,mba mikorana e!

Ilay adiresiko matoa zaraiko
Ny hitafa aminao mba ilaiko
Fa ny mifandrangitra aloha azafady a
Ny teny maharary,mampiady

Toroy hevitra f'aza somparina
Raha misy lesoka ampahafantarina
Ny olona adala no sarotra anarina
rehefa lavo ve aho, ianao tsy mba hampiarina?

Ny marina ho lazaiko mety ho ferako
Fa aza misikotra izay efa noferako
Aza hozongozonina ny toerako,
Raha misy hadisoako,honerako

Koa malalaka io,azo vangiana
Ao tsidihina ts'isy fiafiana,
Mbola mitady izay ho olon-tiana,
Mba mikaoty ihany fa matetika voakiama

Nefa eto;

Am-panetren-tena no izestiavako
Fa mamy sy masaka ny karazam-pitiavako
Ny hitady ny tompony izao no finiavavo
Mba iza re 'zany e! hireharehavako

Sokajy : Serasera