Tononkiranay sy SOLOMONA (Fongasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho ny ahy ny teny tena mamiko
Dia tamin'ny Solomona nindramiko
Ary tsy sasatra aho ny mamerina isan'andro
Fa zava-poana izay ety ambanin'ny masoandro

Hiezaka hanaraka ny teniny aho
Izay mananatra,manefy hoe ny tsara mba katsaho
Tsy misy na iray eto ka mahasoa
Fa samy misambo-drivotra avokoa

Tsy misy manam-bidy ambonin'ny fahendrena
Na voninahitra,na fahefana,na volamena
Efa nokatsahiny ny lafatra eto an-tany
Ka hitany fa tsy misy afa tsy ny mifaly ihany

Ny izaràna sy ny mizara;
Izay manolotra no manananjara
Izany dia midika fa izay oenao androany
No mivaly maro sosona any am-parany any

Manoro anao ho sahisahy
Hanaisotra any ny ahiahy
Dia ho tojo anao tsy nahy
Ny fiasan'ny fanahy

Ataovy ao an-tsaina
Fa azonao ovaina
Sy vita hatsaraina
Ny fomba enti-miaina

Raha mahatsiaro ho marary
Fa sendra an'izay mahamay
Tsarovy fa hatrany anaty ranom-bary
Indraindray mbola misy voay

Samy amin'ny fotoanany avy
Izay zava-drehera miseho
Fa aza atao mampanavy
Raha rendra ny ngidiny;atreho

raha toa ka tsy tia izay notiavina
Manolotra fitia nefa lavina
Aza sosotra mahatsiravina
Fa any ankafa indray hafa tadiavina

Tsy nomen'ny namanao
Ny vola karamanao?,
Ianao indray no kianina
FA Odiany gisa sy fanina?;

Seranim-pahanginana
Fa tsy afa-panadinana?
Ny hiala aza heverina
Fa ami'ny ho avy mamerina

Sembanin-drahina miserana?,
Misedra olana tsy ferana?,
Tsy mahatohitra izay atrehina?,
Ialonana ?,enjehina?

Tsy misy mamboly paiso
Ka hamokatra voatabia
Fa ny valin'ny natao koa mba raiso
Ary ny soa sy ny ratsy tsy mpiara-dia
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1206 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fongasy
Nampiditra : fongasy
Daty : 05/09/2016 08:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107