Neny (Fongasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sanatria ka manorisory
Na tafahoatra izay lazaiko, anesory
Raha misy diso, ahitsio fa hovaina
Ny fitiavan'ny Neny no tiako lazaina

Azo sary an-tsaina sy tsarotsaroana
Ny tsiro sy hakanton' izany fotoana
Ankafizana torimaso eo am-pofoana
Izay milamina sy mamy fa i Neny no anoloana

Vitan'i Mama ange zao ny namono e!
Fa tsy nataony izany, nosanatriaviny
Naterany aho dia nomeny nono
Silaky ny ainy ka dia notiaviny

Zanaka tiana ka kolokoloina
Tambatambazina, safosafoina
Babibabena sy trotrotrotroina
Dokadokafana, ampihaingoina

Sasana, fahanana, ampisotroina
Karakaraina, raha marary, tsaboina
Raha lena na maloto ny lambako soloina
Fonoponosina, ampiakanjoina

Andriandrianina sy tompotompoina
Indraindray voasazy, voakapoka, tsongoina
Tsy te hanan-dratsy izy f'aza disoina
Na vatana na saina samy nampitomboina

I Neny ?
Tanin-jana-kazon-tserasera ka
Namoizany ny ainy tanteraka
Tsy nahalala kivy sy reraka
Ny fitiavan'ny Reny niteraka

Nanoro ahy ny marina
Nananatra tsy farina
Ka na soratra na sary na
Kajy...nampianarina

Irakirahina, kianina, baikoina
Raha mangataka trondro,harato no omeny
Ny fitiavany anao no tiany porofoina
Izany s'izany ny fitiavan'i Neny

Hoy indrindra izy tamin'ireny
Sy ny anatra nomeny
Hoe ny fahadiovam-pitondran-tena
Ombam-pahendrena
no atao hoe harena
Fa sao ianao jambena
Ndeha ho tia tena

Aleo, miorena
Amin'ny fahalemena
Izay efa nekena
Ho toetry ny tena

Izao no hevero
Sy mba saintsaino
Ary antitrantero
Amin'izay afa-mihaino

Na mamiratra sy mamim-bahoaka
Ambinina sy to teny
Tsy taman-kazo ianao no nivoaka
Fa zanaka mamin'i Neny
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1823 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fongasy
Nampiditra : fongasy
Daty : 26/05/2017 13:13
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095