Zanako (Fongasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ahy irery tsy iombonako,
Singan'akohonako,
Hany antony ifaliana
Fa tonom-bavaka valiana

Vokisana anatra,tefena
Arovarovana,fefena
Ny fitiavana azy
No anomezana azy sazy

Endrey 'zany izy mitampify
Eto an-tratrako manify


Tsy hoe efa nianianako
Ny fitiavako tsy voatanako
Fa naniry ho azy teny
Sady izay koa 'ilay hoe Ray amand-Reny e!

Ny tsy niteraka aza
Maniry hanan- jaza,
Ka rehefa mba nomeny
Mba koloy izy ireny

Etsy kely leitsy hataoko antsangory a!
Sa,ndeh horotsiako raha hatory

Teneno e!,lazao
Inona no tiana?
Fa ny hampifaly anao
No antom-pisiana

Tompo O,tantano
Iandraiketonao,sahano
ampio sy tohatohano
Ity anjara tokatrano

tsy hay fiala izay kapoaka mangidy
Fa ny misy anao;vita indray mijery:
Ny asa,ny lalao,ny vavaka,ny adidy
Ka vimbino re,arovy,tafio hery


FONGASY
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
1132 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fongasy
Nampiditra : fongasy
Daty : 08/09/2016 12:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2845