NA NAMPISARAKA AZA...(2) (Fredy Jaofera)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA NAMPISARAKA AZA...Na nampisaraka aza
ny fiainana ange
dia sahiko ny milaza
fa manina aho re.
Na nampisaraka aza
ny anjarantsika
dia ny ainga sahaza
feno raha adika.
Na nampisaraka aza
ny lahatra izao
dia ny rima no halaza
rehefa ho anao.
Na nampisaraka aza
ny voady tiana
dia hoy aho, mamafaza
tsiky mangina.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/fredy-jaofera/na-nampisaraka-aza...2
Sokajy :
Fisarahana - fananarana - Fiaraha-monina - Alahelo - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana