You are here: home > Vetso

Dia aleo ... - Hajaina

Azo vakiana?

ho an’ny Havàtsa, noho ny faha 55 taona

DIA ALEO…

Raha Saina mora ketraka
No entinao mamaky ny haizim-be mikitroka,
Dia aleo mipetrapetraka
Fa sao ho sendra hady… lalina mangitsoka.

Raha Fo mora sendaotra
No entinao maneho ny teny sy ny sary,
Dia aleo mamboamboatra
Karazam-panafody, sitrany tsy harary.

Fa raha Fanahy mamàka
No entinao mandeha mikatsaka ny mety,
Dia aleo tsy miambaka,
Miaraha, miombờna hevitra amin’ireo Poety.


     Hajaina
           (sept 2007)

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

endrika01 (29/07/2009 17:46:08)

Misaotra e! Tsara tokoa lay vetso nosoratanao,tsapa misy hery,manosika hihoitra sy hiatrika izany,

Zozoro (30/07/2009 12:46:40)

Tiako tena tiako...toro hevitra tsara sady ampy.

Zozoro (30/07/2009 12:47:18)

Tiako tena tiako...toro hevitra tsara sady ampy.

Mysento (02/08/2009 11:42:45)

Zay ,no maha poeta.

Hametraka hevitra

Midira aloha