NY TANINDRAZANTSIKA (Hajaina )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TANINDRAZANTSIKA

Rehefa injay manangasanga
Eny antenantenan-dravina
Ilay tara-bolam-penomanana,
Dia ao an-tsaiko ts’isy banga
I Gasikara nohasoavin’
Andriamanitra hiadanana.

Fa aminao avokoa
Ireo karazana hatsarana
Ô ry Madagasikarako
Ny ali-mainty aza moa
Eny, mbola ahitana
Ny hatsaranao ry tsarako.

Tsy ho hary hotanisaina
Ny endri-kanto manontolo
Nahabe mpitsiriritra;
Olon-kafa raha lazaina
No nandrombaka bontolo
Ireo harena mba ho ritra.

Dia niezaka izy ireny
Nitady fomba hanosena
Hahazoany tombontsoa,
Nopotehiny ny Teny,
Kolontsaina, Toekarena
Sy ny maro hafa koa.

Tao ny mody vazivazy
Hifanaja, hifandray
Tetikady hahombiazana,
Adala izay manary ny azy
Aoka hofohazina amin’izay
Ilay Fitiavan-tanindrazana.

Areheto indray ny hambo
Asandrato ho rehareha
Izany maha malagasy
Ka manaova toy ny sambo:
Milanto nefa be mpandeha
Mahatody ao an-dasy.

Dia ilay lasim-panompoana
Hisy dinitra handriaka:
Ho porofom-pamafazana
Ilay voa mba hijoroana
Amin’ny maha izay antsika
TENA TOMPON-TANINDRAZANA.

Hajaina
(jiona 2003)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2593 1
Hevitra mandeha
Mysento ( 02/08/2009 11:45)
Amin'ny maha izay antsika,
TENA TOMPON-TANINDRAZANA.

Marina tokoa!
pinous ( 03/08/2009 16:50)
Misaotra anao mpanoratra mihitsy manaitra ny hambo maha-malagasy sy manaitra ny fitiavan-tanindrazana.Amin'izao mantsy efa tena tsy hita intson izay maha-malagasy,simba daholo na toe-tsaina na n teny na n fomba fiaina.Ny olana zao de ahoana no ampitaina izany amin'ny tanora rehetra vao misondrotra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajaina
Nampiditra : raozigasy
Daty : 29/07/2009 15:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098