TS'ISY TOA AHY - Hajaina
Azo vakiana?
TS’ISY TOA AHY
Ho lany andro am-pisikinana
Ka tsy hahita akory ny tena mendrika indrindra
Ny fiakarana, fidinana
Hitondrana izay forongo tsy ahafahana mamindra!
Angaha ianao raha ho any
Dia hihevitra fa hahita ny tsara noho ny tenako?
Na hitety vazan-tany
Tsy hahita izay ho meva noho izaho sy ny fonenako.
Hidi-bingo am-pandehanana
Variana tsy hahita akory bibilava hanakan-dalana
Angaha Rafotsy leom-boanana?
Ka ny siny vato avy, lolohavin-ts’isy akalana?
Oh, very ianao fa miverena
Dieny atsotrako ny tanako, tokony horaisinao
Fa na hitety Firenena
Tsy hahita toa ahy eran’izao tontolo izao.
HAJAINA
Martsa 2005
Hevitra mandeha
maeva74 (31/07/2009 15:10:43)
Tsy ahita akory ianao na hitety izao tontolo izao.
Kanto ilay tononkalon' ni Hajaina. Mankasitraka
Mysento (02/08/2009 11:28:56)
Mombamomba
Mpanoratra : Hajaina
Nampiditra : raozigasyDaty : 29/07/2009
Mpamangy : 2303
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
INTY AHO HAMALY ANAOINGAHY MAMPIANATRA
SAKOA IZAY
MAINTIN'ALOKA, FOTSIN'ANDRO
Angamba tsy ho feno
Dia aleo ...
NY TANINDRAZANTSIKA