You are here: home > Vetso

ALIKO IRERY - HASINIONY

Azo vakiana?

Indrisy ry masoandro
misitrika toa resy anaty zavozavo
mba namanao aho
Fa ny aliko malazo...
ALIKO IRERY
miaritra hidihidy
alina mahaory
tsy mety pizin-tory
Alina mangidy
sy nofy mosarena
mampananon-tena
alina miangatra
Lavitry ny sambatra
hany mba mangarana
dia salaka tanana

Mako, atsy an'efitra ilany
ny alina matsiro
tomanim-parafara
sy sefosefon-ditra
mampitsiriritra
no indray mifia-drevy
injao mandevilevy
ny rezatry ny nofo
mibaby sy miampofo
'lay faratampon'ota
ka sahy misotasota
ireo jaliko rehetra...
Dia reko ny hasambaran'
ireo mpifankatia
nony maty jiro...

Mampivoto fo!

Sokajy : tantara