You are here: home > Vetso

Any ... - HASINIONY

Azo vakiana?

Any dilambato any!
Safomorona ny vetso, taraim-baliha tsy ampy tady
Lavi-tiana ka tomany
Miraondraona alahelo, 'zato fo mangadihady
...any mantsy izy any
Am-pibanjinam-bolan-tsinana
Mifandrirotra vinany
Mibitsika amin’ny fahanginana

Any an-tanin'olona any!
No tratra hariva ny fitiavako, safoton'onja mitambalana
Fa miezaka mikalo hatrany
Tapatapa-tononkira, arahin-dokanga toa mivalana
...any mantsy izay ianao
Miambohoka ireo nofitsika
Tano mafy ka hajao
Ivavaho ho tafita.

Any ianao, ianao ihany raha atao indray mibango
'lay afo lavitra amindroako, saika hilaozako kinanjo  
… Bedin’ny fitiavako aho!

Sokajy : embona, Fitiavana

Hevitra mandeha

kiriah (09/10/2012 09:39:57)

... " Bedin ' ny fitiavako aho ! ".
Tsara e !

Zozoro (13/10/2012 18:38:29)

Kanto tokoa. Mahay ny mpanoratra.
Misaotra anao nizara