You are here: home > Vetso

AZA TSINY - HASINIONY

Azo vakiana?

                 AZA TSINY

Ny topimasonao mihatsy
Ny fonao mangidihidy
Fantatro...! fa indrisy mantsy
Ny finoako no mandidy (ahy)
Hanalavitra izany
Fa aoka ianao tsy hanontany?

Tena aza tsiny indrindra
Fa mandehana aloha mifindra
Inoako mantsy fa any ho any
Misy nahavita ankany
Ao am-pony mba ho anao
Fa aza taitra randram-bao

                Azoko natao tokoa
                Ny nihaotra ati-fo
                Hiara-hisambatra aminao
                Fa niniako tsy natao
                Satria folo aky ny didy
                Na satry aza mba ho sivy

Sokajy : Malalaka