BARAINGO (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
?

Tsy mino ve ianao?

Fa ny ankohonana no an-tàna naha mamba
Iarahana miantsoroka izay zavatra mitranga
Ao ny mamy iraha-mifaly sy ny itondrana faisana
Dia ifanakonana ao; nohon'ny rà izay iraisana
Tsy arirariran-dresaka ny hoe "velona iray trano"
Io 'lay rohim-pihavanana izay tsy mety atao angano
Ary ao no omena aina ireo zavatra kinasana
Ho hadiry ifonosan'izany hoe "maty iray fasana"
Raha mbola fihavana! Moa tsy ao no iandohany?
... asa ianao raha mino izany!


Tsy mino ve ianao?

Fa misy fihavanana navitra amin'ny namana
Ka na inona mitranga dia ifanomezan-tanana
Na fisaina samihafa no mi-dinà hifampitaiza
Nofy izay hifanary; eny na hatraiza hatraiza
Ao no mifanindrimandry raha misy ny manjo
Ka mahay mifankahery sy mifampirarisoa
Raha mbola nofo ihany dia io no antsoina hoe fiadanana
Tsy misy azo oharina aminy fa fanamperana ny namana
Ry sakaizako malala! Io ilay paradisantany
... asa ianao raha mino izany!


Tsy mino ve ianao?

Raha ireo voalaza ireo no atao indray mibango
Dia fiekem-pinoana velona ary vavaka isanandro
Hampitambatra ny nofo ary indrindra hampahatsiahy
Fa misy koa ny tena namana tsy ara-nofo fa am-panahy
Ny hahasambatra anao no hany tena mba niriany
Ary ny ainy no nomeny mba ho avotrao ry tiany
Ka herezo izato dià ; hatanjaho ny finoana
Fa ny Tompo be fitia tsy hamela anao himoana
F'izay nandray ny fahasoavany? No hiditra amin'ny Fanjakany
... inoako ianao fa mino izany?
--------
Rohy:
1551 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 19/03/2011 09:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146