You are here: home > Vetso

Embona - HASINIONY

Azo vakiana?

Indrisy ry embona tsy fantatra
toa atsikafonao etoana
'reo lasa izay niriako fatratra
ho tsara levin'ny fotoana.
Toa dia vatranao sangiana
no sady satrinao hifoha
mba hilambana mangina
ny ankehitriny sy taloha.
Moa vare ho maminao
ny mibanjina ahy torovana
miloloha sy mibao
irony akom-pahatsiarovana.

O! ry lasa izay naheriny
Mangiaka eto ampamoloana
Hanky lalina ny feriny
Moa ho azoko tsaboina?

Miangavy anao mba tsy hisovoka
eny an-dalana hombako
ry embona toa sahy miroboka
eto an’ony izay itako.

Sokajy : embona